Alarobia 14 jolay 2027

Alarobia Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 3, 1-6. 9-12

Boky Eksaody

« Niseho tamin'ny endriky ny lelafo teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo ny Tompo. »

Tamin'izany andro izany, niandry ny biby fiompin'i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna, i Môizy. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, tany Hôreba izy. Ny Anjelin'ny Tompo niseho taminy, amin'ny endriky ny lelafo, teo afovoan'ny zavamaniry milobolobo. Hitan'i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona. Ka hoy i Môizy: “Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.” Hitan'ny Tompo fa niolaka hijery izy, dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: “Ry Môizy! Ry Môizy!” Ka hoy ny navaliny: “Intý aho!” Dia hoy Andriamanitra: “Aza manakaiky eto; esory ny kapa amin'ny tongotrao, fa tany masina io.” Ary hoy koa Izy: “Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka ary Andriamanitr'i Jakôba.” Nosaronan'i Môizy ny tavany, fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. Hoy indray ny Tompo: “Ankehitriny, indro tafasondrotra hatratý amiko ny fitarainan'ny zanak'i Israely, ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsianina amin'izy ireo. Koa handeha ianao amin'izao, irahiko ho any amin'i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak'i Israely vahoakako.” Fa hoy i Môizy tamin'Andriamanitra: “Zinona moa aho no hankany amin'i Faraôna sy hitondra ny zanak'i Israely hivoaka avy any Ejipta?” Dia hoy Andriamanitra: “Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rahefa tafavoakanao an'i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'itý tendrombohitra itý ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7
Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra. Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa azo avy aminy.
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin'ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao!
Mpanome rariny ny Tompo, omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra. Nampahafantatra ny Lalany an'i Môizy Izy, sy ny asany vaventy ny Zanak'i Israely.

Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 11, 25-27
« Nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin'ny tso-po. »

Tamin'izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen'ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.