Alakamisy 08 jolay 2027

Alakamisy Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 44, 18-21. 23b-29 ; 45, 1-5

Boky Jenezy

« Hamonjy aina anareo no nampandehanan'Andriamanitra ahy atý Ejipta. »

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jôsefa i Jodà ka nanao taminy hoe: “Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo lalana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan'ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin'i Faraôna ianao. Ny tompo lahiko nanontany ny mpanompony hoe: “Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?” Ary izao no navalinay ny tompoko: “Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin'izy iray reny, ka tian-drainy izy. Ary ianao nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: “Ento midina atý amiko izy mba ho hitan'ny masoko. Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21
Fiv.: Tsarovy ny asa mahagaga nataon'ny Tompo.

Niantso mosary hamely ny tany Izy; notapahiny ny hanina izay tohan'aina. Naniraka olona hialoha azy ireo Izy: i Jôsefa namidy ho andevo.
Nogiazana tamin'ny fatorana ny tongony, nogadrana vy izy, mandra-pahatongan'ny andro nahatanterahan'izay voalazany mialoha, izay nanamarinan'ny tenin'Andriamanitra azy.
Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka; nalefan'ny filohan'ny vahoaka ho afaka izy. Dia natsangany ho tompon'ny tranony, sy ho mpanapaka ny taniny rehetra.

Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no mampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 10, 7-15
« Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôly nanao hoe: “Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin'ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. Ary amin'izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: “Ho amin'itý trano itý anie ny fiadanana”; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin'izany trano izany, na amin'izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sôdôma sy i Gômôra amin'ny andro fitsarana noho ny hatao amin'izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Kômonio Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.