Alarobia 07 jolay 2027

Alarobia Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a

Boky Jenezy

« Voakapoka isika, satria diso tamin'ny rahalahintsika. »

Tamin'izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin'ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy i Faraôna tamin'ny Ejipsianina rehetra: “Mankanesa any amin'i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.” Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan'i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin'ny Ejipsianina izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin'ny tany Ejipta. Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin'ny tany rehetra, hividy vary amin'i Jôsefa, fa nihamafy ny mosary tamin'ny tany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19
Fiv.: Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao.

Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo! Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan'ny firenena, sy manafoana ny fikasan'ny vahoaka. Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny Fony, amin'ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason'ny Tompo amin'izay matahotra Azy, sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy amin'ny tao-mosarena.

Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 10, 1-7
« Mankanesa any amin'ny ondry very amin'ny taranak'i Israely. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran'ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak'i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay nirahin'i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: “Aza manaraka ny lalana mankany amin'ny Jentily, ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina, fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Kômonio Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.