Zoma 28 mey 2027

Zoma Fahavalo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 17, 19-20

Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahaory aho, nafahany satria tiany!

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eklesistika 44, 1. 9-13

Bokin'i Siràka

« Maharitra tsy mivadika amin'ny fanekena ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny. »

Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza, sy ny razan'ny karazantsika. Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony; fa levona toy ny tsy nisy akory; nanjary toy ny tsy teraka akory, ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy. Ireo voalohany dia olona tia vavaka, ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny. Raikitra ho anjaran'ny taranany ny hasambarana ary misy lova azo antoka ho an'ny zanany. Maharitra tsy mivadika amin'ny fanekena ny taranany; mbamin'ny zanany koa noho ny amin'izy ireo. Maharitra mandrakizay ny taranany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b.
Fiv.: Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan'ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin'Ilay nanao azy; ny zanak'i Siôna hiravo amin'ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin'amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany, ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin'ny voninahiny sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an'Andriamanitra; ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin'izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin'ny fiainana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 11, 11-26
« Ny Tranoko dia trano fivavahana ho an'ny firenena. »

Tamin'izany andro izany, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban'ny roa ambin'ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'izay. Dia hoy Izy tamin'ny aviavy: “Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay.” Ary ren'ny mpianany izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Kômonio Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo Avo indrindra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.