Alakamisy 27 mey 2027

Alakamisy Fahavalo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 17, 19-20

Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahaory aho, nafahany satria tiany!

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eklesiastika 42, 15-25

Bokin'i Siràka

« Ny asan'ny Tompo feno ny voninahiny. »

Hotsahiviko izao ny asan'ny Tompo, ary hotorìko izay hitako. Ny tenin'ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra. Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra; asan'ny Tompo, feno ny voninahiny izy. Ny olo-masiny dia tsy nataon'ny Tompo mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany, izay naorin'ny Tompo Tsitoha mafy, mba ho mafy orina izao tontolo izao amin'ny voninahiny. Tsapainy ny halalin'ny ranomasina sy ny fon'ny olombelona; ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra. Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo; ary hitany ny famantaram-potoana. Manambara ny lasa sy ny ho avy Izy, ary mampiharihary ny dian'ny zava-miafina. Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona Azy. Noravahany ny asa lehiben'ny fahendreny: talohan'ny taona rehetra Izy, ary haharitra mandrakizay; tsy nampiana na inona na inona ny tenany, tsy nanesorana na inona na inona ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza Izy. Endrey, ny hatsaran-tarehin'ny asany rehetra! ary izay banjinin'ny olona amin'ireny anefa dia kilalaon'afo fotsiny. Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay, ho amin'izay rehetra ilàna azy; ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra. Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin'ny iray, ary tsy nisy nataony mankamin'ny faharavana. Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran'ny anankiray: iza no mety ho afa-po amin'ny fijerena ny Voninahitry ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 32, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.
Fiv.: Ny lanitra no vita: ny tenin'ny Tompo.

Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo. Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno!
Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany!
Ny lanitra no vita: ny tenin'ny Tompo; ny tafiny rehetra: ny fofon'ain'ny vavany. Ny ranon'ny ranomasina nangoniny anaty siny; ny hantsam-be nataony anaty fahi-drano.
Ry tany tontolo matahora ny Tompo; mangovita ny mponina amin'izao rehetra izao: fa teniny dia vita; didiny, dia tafajoro!

Aleloia. Aleloia.
Izaho no Fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 10, 46-52
« Rabony ô, aoka mba hahiratra aho. »

Tamin'i Jesoa sy ny mpianany mbamin'ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak'i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.” Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: “Ry Zanak'i Davida ô, mamindra fo amiko.” Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin'ny olona izy sy nilazany hoe: “Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.” Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an'i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?” Dia hoy ilay jamba: “Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.” Ary hoy i Jesoa: “Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.” Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Kômonio Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo Avo indrindra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.