Alakamisy 04 febroary 2027

Alakamisy Fahaefatra tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 105, 47

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!

Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 12, 18-19. 21-24

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Nanatona ny tendrombohitr'i Siôna tanànan'Andriamanitra velona ianareo. »

Ry kristianina havana, tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo ianareo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin'ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo. Loza loatra no niseho tamin'izay, ka i Môizy avy no vaky hoe: “Tsiravina sy rano an-dravina aho!” Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian'ny Anjely alinalina, ny fiangonan'ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin'ny olo-marina efa amin'ny fanaperana, sy i Jesoa mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary ny ran'ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an'i Abela.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 47, 1-3a. 3b-4. 9. 10-11.
Fiv.: Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao ao anivon'ny tempolinao.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra ao amin'ny Tanànan'ny Andriamanitsika! Ny vohiny masina: tsara fideza, fifalian'ny tany tontolo.
Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra, Tanànan'ny Mpanjaka lehibe! Andriamanitra amin'ireo tilikambony mitomban-ko fiarovana avo.
Araka ny henonay no mbola hitanay ao an-Tanànan'ny Tompon'ny tafika, ao an-Tanànan'ny Andriamanitray! Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.
Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao ao anivon'ny tempolinao. Ny voninahitrao dia toy ny Lanitrao mitatao ny tany tontolo.

Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 6, 6-13
« Nanomboka naniraka azy ireo Izy. »

Tamin'izany andro izany, niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy: “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin'izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Kômonio Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.