Alarobia 03 febroary 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!
Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin'ny fahalatsahan'ny ranareo, ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: “Anaka, aza manamavo ny famaizan'ny Tompo, ary aza mba ketraka amin'ny fananarany anao; fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny.” Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka, tsy faizin'ny rainy? Marina fa mampahory amin'ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an'izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka: ary ahitsio ny dian'ny tongotrareo mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin'ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan'Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.”
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany; no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra Azy! Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika: tsaroany tokoa fa vovoka isika.
Fa ny hatsaram-pon'ny Tompo dia mandrakizay amin'izay matahotra Azy sy amin'ny dimbin'ireo, amin'izay mitandrina ny fanekeny, sy mahatsiaro ny didiny hankatoavana Azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 1-6Tamin'izany andro izany, i Jesoa nankany amin'ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagôga Izy, ka be tamin'izay nihaino Azy no gaga tamin'ny fampianarany sy nanao hoe: “Taiza no nahazoan'Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan'ny tanany izany asa lehibe izany? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, rahalahin'i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany.” Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin'ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan'ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.
Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.
Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.