Alakamisy 24 septambra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'ny Mpitoriteny
Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra. Inona no soa azon'ny olona, amin'ny fisasarana rehetra ikezahany atý ambany masoandro? Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray. Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany. Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin'ny fonenany, dia miposaka avy ihany indray. Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraka ny teo. Mankany amin'ny ranomasina avokoa ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin'ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka. Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino. Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao no hatao, fa tsy misy zava-baovao atý ambany masoandro. Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin'ny taonjato talohantsika izany zavatra izany. Ny taloha tsy tsaroan'ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin'izay ho velona rahatrizay.
Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao: «Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.» Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina, toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry. Manipelana maraina, vaky vony sy mijoro. Fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay; atodiho fo fanahy, mba hikatsa-pahendrena. Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava. Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro. Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo, hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 7-9Tamin'izany andro izany, i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon'i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: “I Joany no nitsangan-ko velona”; ny sasany nilaza hoe: “I Elia no niseho”; ary ny sasany nanao hoe: “Ny anankiray tamin'ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.” Dia hoy kosa i Herôda: “Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?” Dia naniry hahita Azy izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.