Alarobia 23 septambra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Ohabolana
Voazaha toetra amin'ny afo avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'izay mialoka aminy izy. Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny; sao anariny ianao, ka ho hita fa mpandainga. Zavatra roa no angatahiko aminao, ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho: Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy: fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe: Iza moa ny Tompo? ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny Anaran'Andriamanitra.
Halaviro ahy ny lalan'ny lainga; ny lalànao no aoka hanenika ahy! Soa ho ahy ny lalàna avy amin'ny Vavanao, mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Mandrakizay ny teninao, ry Tompo; eny, mateza toy ny lanitra! Aviliko tsy hankamin'ny lalan-dratsy ny tongotro, mba hitandremako ny Teninao!
Ny lahatrao no nahazoako fahalalana: hany ka halako ny lalam-pitaka rehetra! Halako sy mahadikidiky ahy ny lainga; fa ny lalànao no tiako!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 1-6Tamin'izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: “Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo.” Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.