Alarobia 16 septambra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao. Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin'ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an'ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin'ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo! Ihirao hiravao Izy; andredony horaka aman-java-maneno!
Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany!
Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 7, 31-35Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Hohariko amin'iza re ny olona amin'itý taranaka itý, ary tahaka an'iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: 'Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.' Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: 'Azon'ny demony izy.' Tonga indray ny Zanak'Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: 'Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan'ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.' Fa ny Fahendrena efa nohamarinin'ny zanany rehetra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.