Talata 15 septambra 2026

Talata Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 12, 12-14. 27-31a

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Ianareo no vatan'i Kristy sy rantsam-batany »

Ry kristianina havana, toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na olom-potsy; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra. Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro. Ianareo no vatan'i Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Fiv.: Vahoakany sy ondry fiandriny isika.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo. Ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira, miravo. Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany, sy tena vahoakany, ondry fiandriny. Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra. Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory. Miaiky isika fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany antsika, amin'ny taona rehetra ny fahamarinany.

Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 7, 11-17
« Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nankany amin'ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin'ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak'olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany.” Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: “Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.” Dia niarina niaraka tamin'izay ny maty, sady niteny, ary nomen'i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.” Dia niely eran'i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.