Nahazo papa isika, Papa Leon XIV

1. admin ( 09/05/2025 15:50)
Isaorana Andriamanitra nanome antsika Papa vaovao dia ny Papa Léon XIV (Robert Francis Prevost) taorian'ny nahalasanan'ny Papa Fransoà. Ny 8 mey teo tokoa no nofidin'ny kardinaly hitondra ny Eglizy ny Papa Léon. Teraka tany Chicago, Etazonia, izy 69 lasa izay. Ny rainy dia taranaka frantsay sy italiana,... tohiny
novalian'i hery ny 14/05/2025 17:20
2. Azrael666 ( 09/05/2025 15:50)
arahabaina e! Enga anie hahavita be izy. Za mba nanantena hoe Papa Afrikana no ho lany teo, kay... Zay koa ngamba no sitrapon'Andriamanitra.
3. hery ( 14/05/2025 17:20)
Tsy misy mahasamihafa azy angamba na afrikanina na tsia satria tsy dia miankina amin'ny fiaviana ilay izy fa miankina amin'ny tondrozotram-panahy ananany. Izaho mino fa efa nomanin'i Papa Fransoà izay olona handimby azy. Fantany fa efa antitra izy ary efa narary ka ny kardinaly rehetra izay nofidiny dia fantany fa hifidy olona manohy ny zavatra efa napetrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0102