Nahazo papa isika, Papa Leon XIV

Isaorana Andriamanitra nanome antsika Papa vaovao dia ny Papa Léon XIV (Robert Francis Prevost) taorian'ny nahalasanan'ny Papa Fransoà. Ny 8 mey teo tokoa no nofidin'ny kardinaly hitondra ny Eglizy ny Papa Léon. Teraka tany Chicago, Etazonia, izy 69 lasa izay. Ny rainy dia taranaka frantsay sy italiana, ny reniny kosa dia espanola. Vao tanora izy dia efa niditra tamin'ny fikambanan'ny Augustiniens ary nohamasinina ho pretra ny taona 1982. Taorian'izay dia niasa tany Perou izy, firenena izay nanendrena azy ho Eveka taty aorian'ny iraka maromaro nataony. Evekan'i Chiclayo izy ny 2015 hatramin'ny taona 2023 izay nanendren'ny Papa Fransoà azy ho kardinaly. Izy izany no papa voalohany avy any Amerika avaratra. Ankinintsika amin'ny Fanahy Masina izy mba hitondra tokoa ny Eglizy araka izay iantsoan'i Kristy azy.

Hevitra mandeha

Azrael666 ( 11 andro lasa)
arahabaina e! Enga anie hahavita be izy. Za mba nanantena hoe Papa Afrikana no ho lany teo, kay... Zay koa ngamba no sitrapon'Andriamanitra.
hery ( 6 andro lasa)
Tsy misy mahasamihafa azy angamba na afrikanina na tsia satria tsy dia miankina amin'ny fiaviana ilay izy fa miankina amin'ny tondrozotram-panahy ananany. Izaho mino fa efa nomanin'i Papa Fransoà izay olona handimby azy. Fantany fa efa antitra izy ary efa narary ka ny kardinaly rehetra izay nofidiny dia fantany fa hifidy olona manohy ny zavatra efa napetrany.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106