Fanavaozana ny takelaka 2023

1. hery ( 03/12/2023 21:35)
Mandalo fanavaozana amin'izao ny takelaka. Fanavaozana ifotony aloha mba hahafahana manavao ireo endrika sy sokajy isan-karazany.

  • Ny fitaovana mampiodina azy amin'izao dia antsoina hoe CodeIgniter 4

  • Ny sehatra miandraikitra ny fisoratana anarana sns dia mbola ny serasera.org ihany 

  • Nohavaozina tanteraka ny fitaovana mikirakira ny Sorona Masina sy ny Fihirana (mety hisy fiantraikany amin'ny applications izany fa mbola hamarinina)

  • Rehefa vita ny fandaminana anatiny rehetra dia hojerena amin'izay ny endrika ivelany (loko, faritra isantokony)

  • Hojerena amin'izay ihany koa ny votoatiny (lahatsoratra isan-karazany) izay tena ilàna be ny fanampiana avy amintsika.

  • Aorian'izay dia hiditra amin'ireo tetik'asa vitsivitsy izay iarahana amin'ireo namana efa vonona ho amin'izany



Aza misalasala mamaly eto ambany raha misy fanamarihana tiana hatao.
novalian'i hery ny 03/12/2023 22:41
2. hery ( 03/12/2023 22:41)
Zavatra efa hita fa mbola hatao

- cols ao amin'ny fihirana rehefa amin'ny finday
- ity forum ity esorina ny avatar amkn'ny mode edit ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1522