Sorona Masina

Lohahevitra : Vavaka
Fitohizan'ny hafatra : Sorona Masina
Valiny : 5
admin - 21/08/2018 15:35
... Tohiny
Valio | Miverina eny ambony
drgaby - 21/08/2018 15:35
Miarahaba Tompoko.

Izahay ao amin'ny Paroasy Mandroseza dia manao projection mandritra ny lamesa ny alahady.
Nahazatra anay ny maka mialoha ny vakiteny tao amin'ny pejy "Sorona Masina ato ho ato" ahafahanay manomana mialoha ny diapos.
Saingy izao toa niova ny firafitr'io pejy io sahirana izahay satria raha tokony efa hanomana ny projection volana Oktobra, dia na ny sorona masina Septambra aza mbola tsy feno ao.
Sao mba misy vahaolana azo anampiana anay. (Ohatra : atao pejy manokana ny sorona masina alahady...)

Manantena vahaolana Tompoko.

Mankasitraka dia mirary soa.

Dr Gaby
Valio | Miverina eny ambony
admin - 21/08/2018 20:25
Misy ka.

http://katolika.org/katolika/soronamasina/
Valio | Miverina eny ambony
drgaby - 22/08/2018 11:25

admin
Misy ka.

http://katolika.org/katolika/soronamasina/



Misaotra anao amin'ny valiteny.
Efa hitako io pejy io, saingy tsy mamaly ny filànay : Amin'izao fotoana izao izahay dia efa mila ny vakiteny sy ny ranombavaka amin'ny volana Oktobra, na ny Novambra aza raha efa mety ho azo.

Miala tsiny fa ohatry ny mila voa tsy ary.

Misaotra mialoha amin'ny fanampiana.

Mirary soa.

Dr Gaby.
Valio | Miverina eny ambony
drgaby - 27/12/2018 07:57

Salama Tompoko,

Mba mangataka azafady ny hampidirana ny sorona masina amin'ny 31 Décembre ao amin'ny sorona masina ato ho ato.
Misy lamesa mantsy ao am-piangonanay amin'io ka ilàna io mba handrafetana ny diapo.

Mankasitraka amin'ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana.

Sady mirary soa.

Dr Gaby RAKOTONDRABE
Valio | Miverina eny ambony
admin - 08/03/2020 15:59

drgaby

Salama Tompoko,

Mba mangataka azafady ny hampidirana ny sorona masina amin'ny 31 Décembre ao amin'ny sorona masina ato ho ato.
Misy lamesa mantsy ao am-piangonanay amin'io ka ilàna io mba handrafetana ny diapo.

Mankasitraka amin'ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana.

Sady mirary soa.

Dr Gaby RAKOTONDRABE


Salama,

Efa mahafa-po anareo ve ny miseho amin'izao fotoana izao?
Valio | Miverina eny ambony

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0126 s.] - Hanohana anay