Mba fanehoan-kevitra kely
izaho dia mitady hira katolika ety anelankelan-trano (mba tsy hilazàna hoe pirate) fa tsy mahita mitsy, nefa ny fiangonana hafa ze ilaiko dia ananako daholo, fa maninona ny hira katolika no tsy mba "vulgariser"-na ? ny mpiangona katôlika efa malaza fa tsy mba mpitondra baiboly sy fihirana rehefa andeha hivavaka. Jereo ange ny an'ny Protestanta, ny hira rehetra hatramin'ny fihirana fanampiny efa miparitaka eran'ny tanàna. Ny antsika na ny ao amin'ito site ito aza zara fa misy. tsy adidin'ny fiangonana ve no manampy ireo mpamoron-kira amin'ny fiarovana ny zony fa ny hira rehetra hiraina ao am-piangonana dia tokony ho hita eran'ny elanelan-trano ?
Mba nanontany tao amin'ny librairie Saint Paul aho fa lafo loatra de tsy takatra.
Za zao mitady mafy an'le hira rehefa misy fanamasinana Pretra iny : "voatokana ho ahy ianao", aiza no ahitako an'izay ?
Misaotra tompoko ! |