Menaka masina

1. jncs ( 25/05/2012 14:56)
Inona no tena dikan'ny " Menaka Masina " sy ny antony hampiasana azy. ohatra : batemy, confirmation...
novalian'i admin ny 08/06/2012 11:22
2. admin ( 08/06/2012 11:22)
Ny Menaka Masina no menaka fampiasa amin'ny sakramenta toa ny batemy, confirmation, fanosorana masina (diakra, pretra, eveka), ny fanosorana ny katekomena, ary ny fanosorana ny marary.

Mandritra ny fotoanan'ny lamesa amin'ny alakamisy masina maraina (mialoha ny Paka) no anaovan'ny eveka ny fitsofan-drano ny menaka masina. Ny pretra rehetra amin'ny diosezy amin'io fotoana io dia miaraka mankalaza ny sorona masina amin'ny eveka. Io no fotoana hanavaozan'izy ireo ny toky fanekena ny eveka tamin'ny fanamasinana azy avy. Koa rehefa avy eo dia samy maka amin'ny menaka masina mba hampiasaina amin'ny sakramenta mandritra ny taona any amin'ny paroasiny avy.

Mizara telo ny menaka masina izay tsofin-drano amin'ny alakamisy masina.

- Ny menaka manitra, na menaky ny voahosotra (krisma na saint chrme) dia menak'oliva nafangaro amin'ny menaka manitra manokana. Io dia ampiasaina amin'ny sakramenta toa ny batemy, fankaherezana, fanosorana ho diakra, pretra, eveka. Ny olona mandray ireo sakramenta ireo dia "voahosotra" (amin'ny teny frantsay hoe oint izay midika ihany koa hoe kristy). Mandray ny fanahy maha iraka (Mesia) hitory. Ao amin'ny evanjelin'i Lioka 4. 18 dia namaky ny teny toa izao i Jesoa "Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo izay nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo". I Jesoa Kristy no ilay voahosotra fa ny kristianina rehetra koa dia voahosotra hanohy ny asa natombony.

- Ny menaky ny katekomena. Ity menaka ity indray, izay menaka oliva, dia ahosotra indrindra ho an'ny katekomena. Na ireo olon-dehibe atao batemy. Midika ho fahasoavana sy fifaliana ary fidiovana. Mandritra ny asabotsy alin'ny paka no tena ampiasana azy.

- Ny menaka fanosorana ny marary. Ity menaka ity izay nalaina tamin'ny oliva ihany koa dia ahosotra ny marary mandritra ny sakramentan'ny fanosorana ny marary. Midika ho menaka fanasitranana, manala ny manaintaina. Hosorana ity menaka ity ny tanana, loha, tratran'ny marary mandray ny sakramenta. Fampiharana ihany koa ilay voalazan'ny soratra masina hoe "Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran'ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo" (Jak. 15. 5)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118