Miarahaba anao amin'ny anaran'ny Tompo,
Raha ny eritreritro dia tsara raha ampianarina (miezaka raha ny marina kokoa) manao vavaka tora-po tsy ny mpitarika ihany fa na ireo taritina aza, ezahana ny tsy manao ireo fomba efa mahazatra mba hialana amin'ilay hoe pli vava, ary tsy adino velively ny mamaky tenin'ny Soratra Masina, manao fampianarana ny momba izany satria izany no tena banga ao.
Izay no soso-kevitro ary mino aho fa hahita fahasoavana bebe kokoa ireo ao amin'ny fikambanana mba ho tena APV tokoa ary hahatsapa fa ao amin'ny tenin'ny Soratra Masina no tena hanovozana hery sy finoana.
Misaotra Tompoka. |