1 Fantatrao, ry Reny tsara,
Fa ny Nosy Madagasikara
Dia natolotra sy nomena anao,
Ka ekeo izao vavakay izao.
Notre-Dame des vocations,
Manjakavavin'ny Apôstôly.
Ampitomboy ireo pretra
Sy ny relijiozy teratany:
Ampitomboy ka hamasino )
Ho voninahitr'i Jesoa Zanakao ) (indroa)
2 Mbola vitsy, mbola vitsy loatra
Ny mpijinja eto aminay,
Nefa ny vokatra marobe tokoa,
Ka ekeo ny vavakay izao.
3 Ny mpanota mila fibebahana,
Ny marary mila famonjena,
Ny kristianina mila mpankahery,
Ka ekeo izao vavakay izao.