Indro tonga ao am-ponay, Ianao ry Jesoa ô

Nampiditra: admin
Sokajy: Komonio, Jesoa Kristy,


  • Vavaka sy Hira p. "753
  • Fihirana Hasina p. "347
  • Fihirana Dera p. "86
  • Fihirana Vaovao p. "164

1- Indro tonga ao am-ponay, Ianao ry Jesoa ô
Zokinay filohanay, zahay tanoranao
Aza mandao anay, tohano izahay
Fa tanora mora resy, malemy sitrapo

2- Marobe 'reo namanay, tsy mahalala Anao
Maro koa reo havanay, tsy mbola tia Anao
Indreto izahay, zahay tanoranao
Hampanjaka anao ry Jesoa, eto amin’ny nosinay

3- Hafatrafatrao fahiny, tamin’ny mpianatrao
Mpianadahy ianareo, mifankatiava re
Hifankatia 'zahay, 'zahay tanoranao
Ka haelinay ry Jesoa, ny baiko nomenao

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay