Nanao antsika ho mpisorona manjaka

Nanao antsika ho mpisorona manjaka i Kristy,
Koa ndeha hasandratsika ny feon'ny voaary tontolo
Ho fiderana ny Ray.

(Sal. 99)

1- Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
Tompoy izy amim-piravoravoana
Tongava eo Aminy mihira, mihoby
Ekeo fa Andriamanitra anie izy Tompo.
 
2- Fa Azy isika satria nohariny
Isika vahoakany ondry fiandriny,
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
Ny kianjany koa idiro amin'antsa.
 
3- Isaory izy ary derao ny anarany
Satria izy Tompo, endrey, tsara fo
Fa mandrakizay doria ny anarany
Amin'ny taona rehetra ny fahamarinany.
 
4- Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
Hihoby ilay zanany ombam-pahefana,
Derao ny Fanahy manamasina antsika. (indroa)

Nampiditra Bariry
Sokajy Jesoa Kristy - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 406
Fihirana Hasina p. 624
Fihirana Vaovao p. 104
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216