Vonona aho Tompo, hiaraka aminao

Nampiditra: ari.malala
Sokajy: Komonio, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Dera p. "75
  • Fihirana Hasina p. "122
  • Vavaka sy Hira p. "751
  • Fihirana Vaovao p. "372

1.  Vonona aho Tompo hiaraka aminao
     Ka manolo-tena hofehezinao
     Tsy ny tena ihany no omeko izao
     Fa ny fo fanahy raiso anjakao
 
Feo 1
Raiso aho, Tompo ô, raiso ho anao
Raiso fa omeko izao, zany fo fanahy, raiso anjakao

Feo 2 : Raiso aho Tompo ô, hiaraka aminao
He manolo-tena hofehezinao
Tsy ny tena ihany no omeko izao
Fa ny fo fanahy raiso anjakao

Feo 3 sy 4 :
Raiso aho, Tompo ô, raiso aho, raiso ho anao 
Tsy ny tena ihany no omeko izao
Fa ny fo fanahy raiso anjakao

 
2. ‘Zao no fikasako izay irin’ny fo
     Ho mpanomponao, Tompo manan-jo
     Raha ny eto mantsy mety mora lo
     Fa ny teninao maro mpankatò

3. Raha avy ny fotoana zay hialako etý
     Hafoiko mantsy ity tany ity
     Ao i Jesoa Tompo zokiko arý
     Hovantaniko any raha miala etý

4. Raisonao ny foko raiso ka hetseho
     Ka ny fahotako, Tompo, mba koseho
     Ao ny herinao, Tompo, no hiseho
     Fo maniry Anao no entiko maneho

5. Vonona aho, Tompo, ho anao mandrakizay
     Ho anao irery, ho anao, ry Ray,
     Voadin'ny foko, ho doria izay,
     Hatreto ka any an-danitraany, tany andrasanay.
 
6. Vonona aho Tompo, hampanjaka anao,
     Ary koa hanitatra hatraiza hatraiza
     Ny fanjakanao, na inona hanjó,
     Raha mbola an-tan, ka tahio re.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0078 s.] - Hanohana anay