Arotsahy ato am-poko

Arotsahy ato am-poko ny Fanahinao Ray ô
Hafahako mitia toa an’i Jesoa Mpamonjy
Ka ny mahasamihafa anay ho zary harena
Maneho ny hatsaran-tarehinao Andriamanitra

1 - / Izao rehetra misy izao
Dia ahitako ny endrikao
Fitiavako tsy miandry sitraka
Ny olombelona rehetra

2 - / Hanekeko hitondra amin’ny fiainako
Ny sandan’ireo herisetra
Handresenareo lahatra ny olona
Fa ny fitiavana no antoka

3 - / Hany hekeko hifampizara
Izay zakain’ny ory
Tsy mba manana izay hianteherana
Raha tsy ny herin’ny fitiavana

(RP. Pièrre RANDRIAMAHITA / OSsT )
Nampiditra PVST
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009