Toko telo
TOKO TELO mahamasa-nahandro (tonalité Fa)
Hira faneva
Fikambanan’ny Relijiozy CARMELITE MINEURE DE LA CHARITE
ao amin’ny TRANO FITIAVANA
Fiv : Toko telo mahamasa-nahandro
Ho an'ny fiainam-panahintsika
Ny fitadiavana an'i Kristy
amin'ny TENIN'ANDRIAMANITRA;
Ny fitadiavana an'i Kristy
ao amin'ny FANDRAISANA NY MAHANTRA;
Ny fitadiavana an'i Kristy
Ao amin'ny EOKARISTIA;
Ny fitadiavana an'i Kristy
Izany no fahasambarana
nandrafetana ny Tranon'ny Fitiavana (2)
1- Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana
Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako
Ry Masimbavy Terezy zokinay ô
Niainanao izany hafatra izany
Ka nandinika ny Tenin'i Kristy ianao
Nanaraka izany teto an-tany
2-Izaho hoy Kristy no fahazavan'izao tontolo izao
Izay manaraka Ahy tsy mandeha amin'ny maizina
Ry Masina Maria Reny malala ô
Fahazavana ho anay i Kristy Mpamonjy
Herezo izahay ry Reny malala ô
lanao tokoa no Reny be fitiavana
3- Izaho no Mofo Velona avy any an-danitra
Izay mihinana ity mofo ity ho velona mandrakizay
Ry Don Mario rainay ô
Misaotra anao nitsinjo ny dianay
Fa niezaka hatrany hatrany ianao
Nanandratra ny Tranon'ny Fitiavana