Anaraka Anao

Lalan-tsarotra ny lalako ety
Tongava Ianao hitantana ny dia
Haizin-kitroka feno havoana
Tongava Ianao Jesoa mba hanoloana

Maniry aho ka maniry
Ny hitsaharan'ity firifiry
Kanefa nekeko ny hanaraka Anao Jesoa
Ka n'inon'inona hanjo izaho tsy hamoy fo e,

Na ho lavitra aza no hitondranao ahy
Anaraka Anao fonafona aho
Fa ny miaraka Aminao dia tsy mba misy mampanahy
Anaraka Anao fonafona aho

Lalan-tsarotra ny lalako ety
Tongava Ianao hitantana ny dia
Maizin-kitroka feno havoana
Tongava Ianao Jesoa mba hanoloana

Manantena aho ka manantena
Fa ho avy izany fandresena 
Satria mantsy matoky 
Manantena aho ary mino 
Fa Ianao Jesoa dia tsy mba hanadino

Na ho lavitra aza no hitondranao ahy
Aanaraka Anao fonafona aho
Fa ny miaraka Aminao dia tsy mba misy mampanahy
Anaraka Anao fonafona aho

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095