Voninahitra e, ho an'Andriamanitra

Voninahitra e, ho an'Andriamanitra
Any ambony any, amin'ny avo indrindra;
Ary fiadanana e, (ety an-tany),
Ho antsika olombelona é, (ety an-tany),
Nasehonao miharihary, ny fitiavanao anay e
Ny voninahitra sy dera, ho azy Tompo ambony indrindra.

1. Midera anao izahay é, é, ia,
    Mankalaza anao é, é, ia,
    Mitsaoka anao izahay é, é, ia,
    Misaotra anao izahay é, é, ia.

2. Ry Jesoa Tomponay é, é, ia,
    Ry Zanaky ny Ray é, é, ia.
    Ianao Mpamonjy anay é, é, ia.
    No sady Zokinay é, é, ia.

3. Fanahy Masina é, é, ia.
    Mpankahery anay é, é, ia.
    Mpitondra hafaliana é, é, ia.
    Mpamelombelona anay é, é, ia.
    Miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka
    Ny dera atolotray é.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Fihirana Hasina p. 879
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0705