Ry Maria mpanjakavavy tsy misy pentina

Ry Maria mpanjakavavy tsy misy pentina
Mandrese ary manjakà amin’izao tontolo izao

1. Nomen’i Jesoa fahefana amin’ny olon-drehetra ianao
    Ary nanankinany ny rakitry ny fahasoavany
    Avy aminao no tiany hanomezana ny hasambarana
    Satria ianao no reny itokianay tokoa, fanantenanay

2. Ekenay tokoa fa mpanjakan’izao tontolo izao ianao
    Aoka ianao ilay fahazavana mampisava ny haizina
    Ianao no loharana hanovozanay ny toky sy ny fanantenana
    Satria ianao no reny itokianay tokoa, hery ho anay

3. Ianao no rohy hampifandray hatrany ny fon’olombelona
    Izao tontolo izao dia miandrandra fandriam-pahalemana
    Aoka tsy ho voafenitra fa renin’ny mpanavotra tokoa ianao
    Satria ianao no reny itokianay tokoa, mpiaro ho anay

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991