Maria Renin'ny Famonjena (Tsy Volamena, Tsy Volafotsy)

1.

Tsy volamena, tsy volafotsy
No nankatoavanao ny tenin ny Anjely
Fa Fanahy Masina avy amin ny Ray
Nampamiratra ny endrikao Maria ô!

    Soa noho ny vehivavy rehetra ianao
   Tsy tratry ny saina ny hatsaranao ô
   Renin ny virijiny rehetra ianao, Maria ô
   Madio indrindra ny toetranao ô.

Fiverenana:

Maria oh, inona ny soa havalinay anao ô?
Fa lehibe loatra ny fitiavanao ô
Maria oh, jereo re fa mitalaho izahay e
Sombin'ainao manko ny ainay e.

2.

Virijiny reny nahazoana famonjena
'Lay virijiny voatokan ny Ray
Ambony noho ny zava-boaary ianao
Avy aminao i Kristy, Maria ô

   Ny ozon'i Eva nosoloinao tso-drano soa ho anay
   Nanamaivana ny fahoriana
   Noresenao koa ny fahotan-drazanao ô
   Mba hiraisanay amin ny zanakao

3.

'Lay Andriamanitra namolavola
Izay misy sy izay mety hisy
Namorona ny Tenany tamin'ny Fanahy Masina
Tao ambohokao, Maria ô

   Andriamanitra no Ray mpahary izao tontolo
   Ianao kosa renin ny zavaboaary e
   Izy Tompo no nampisy, niainga tamin ny tsy misy
   Ianao indray no niteraka "an'Ilay Misy".

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089