MOFON'AINA MAHASOA

1- Mofon’aina mahasoa no atolotr’i Jesoa
Ho sakafo iray iombonana, ‘zay maniry ho ankohonany

Fiv: Izay mihinana ny nofoko, tsy ho noana intsony
Sy misotro ny rako tsy hangetaheta
Fa hanana ny fiainana mandrakizay

2- Mofon’aina tena Masina, fa santatry ny hasambarana
Ny fontsika no Tempoly, izay onenan’ny Fanahy

3- Mofon’aina hery soa, mofo zary aina koa
Iraisantsika amin’i Jesoa, ka ho heni-java-tsoa

Nampiditra rayandoscj
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097