EO AN-TONGOTRAO RY NENY SOA

1-Eo an-tongotrao ry neny soa indrindra
No ametrahako ny voadim-pahadiovako
Fantatrao ihany fa osa aho manolotra
F’izay tian’ny Raiko no tiako (2)

Maria ô, ilay Reny be fitia
Raiso ity voninkazo soa
‘Zay apetrako eo an-tongotrao
Tano ho anao, ho anao mandrakizay (2)

2- Eo an-tongotrao, ry neny tiako indrindra
No ametrahako ny voadim-panekeko
Na tsy mendrika aza aho manolotra
Ny sitraky ny Ray no sitrako (2)

3- Eo an-tongotrao, ry neny be fiantra
No ametrahako ny voadim-pahantrako
Fantatrao ihany ny fon’ity manolotra
Fihino aho re tsy hisaraka aminao (2)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095