Ny Fitiavana mihira (Ankalzao)

Ny Fitiavana mihira (in-2)
Hirao amin’ny feontsika i Kristy,
Hirao amin’ny fontsika i Kristy

Hirao e, e, e, Hirao e e e !
Hirao amin’ny fiainantsika i Kristy

1 – Ny fitiavana mihira dia hafalian’ilay tiavina,
Ny fitiavana mikalo dia hafalian’ilay mitia

2 – Ny fitiavana mihira dia vaovao mandrakariva,
Ny fitiavana mivazo ka tsy mety mahatofoka !

3 – Ny fitiavana mihira dia maraina lalandava
Ny fitiavana mivetso tsy mba manam-paharerahana.

4 – Ny fitiavana mihira fofon’ain’ny Fanahy ;
Ny fitia miara-mihira amin’ny Fon’i Kristy !

5 – Ny fitiavana mihira dia mahery noho ny Jaly
Ny fitiavana mihoby dia tsy resim-pahafatesana

6 – Ny fitiavana mihira dia ilay Tenin’Andriamanitra
Ny fitiavana dia hiran’ilay zanaka main’ny Ray

7 – Ny fitiavana mihira dia asa vitan’ny Fanahy
Ny fitiavana mihira fa entanin’ny Fanahy

8 – Ny fitiavana mihira fofon’ain’ny Fanahy ;
Ny fitia miara-mihira amin’ny Fon’i Kristy ! 

Nampiditra Solofo74
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102