Hira fanevan'ny Ekipan'ny Rozery Madagasikara

Ekipan’ny Rozery

1 - Betsaka ireo nania sy very
Noho ny fampianaran-diso,
Mijoroa ry Ekipan’ny Rozery,
Mba hamerina ireo very.

Rozery ô, an’I Jesoa isika,
Rozery ô, miaraka amin’I Maria,
Tsy andrasana ampitso,
Fa izao ankehitriny izao,
Koa mitsangàna ho faneva,
Miaraka aamin’I Masina Maria.

2 – Nifidy anay Anao ry Tompo
Hanitatra ny Fanjakanao
Koa arotsahy aminay mpanomponao
Ny  hazavan’ny Fanahinao.

3 – ‘Reo fahavalo dia mifofo anay,
Toherinay amin’ny Anaran’I Jesoa,
Ampio hery izahay ry Neny
Hampanjaka anao sy Zanakao.

 

Nampiditra Solofo74
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179