Mandehana eran'izao tontolo izao

Nampiditra: hery
Sokajy: Salamo, Fanirahana, Antson'Andriamanitra,


  • Karine Dera p. "458
  • Antsao ny Tompo p. "29

Mandehàna eran’izao tontolo izao, (in-2)
Mampianara eran’ny firenena rehetra,
Ià e e e e, ie e e e, Aleloia !

  1. E e, mañanaova ôsi-karavoaña,
    Are mibidôko amy tany jiaby,
    Ka derao ny Tompontsika e.
    E e ka sahöry ny Añaran’ny Tompo !
    Isan’andro vakin-Jañahary.
    Famonjeny ambarao amin’ny tany jiaby.
     
  2. E e lehibe ny Tompo sy mendri-dera
    Mampatahotro noho Zañahary hafa,
    Tsisy dikany ‘reo Zañahary hafa,
    E e ny langitry manga dia nataony,
    Ny trañony masiñy zahavo,
    Fa lehibe ny fahefany.
     
  3. E e, voninahitry sy fahefaña,
    Sy ireo anaram-pañajaña,
    Atolory ny Tompo ry vahoaka à
    E e atolory Azy ny fañatitry,
    Miondreha eo anatrehany,
    Tany jiaby aoka hangitakitaka.
     
  4. E e koa lazao amin’ireo firenena,
    Fa ny Tompo irery no Ampanjaka,
    Ka hitsara ny oloño ara-kitsiny e,
    E e miravoa ry langitry sy tany,
    Hiaifakaifaka koa ny ranomasiñy
    Saha jiaby aoka ho ravoravo ô.
     
  5. E e aoka hifaly añao kakazo an’ala,
    Eo anoloan’ny Tompo izay avy,
    Hitsara am-pahamariñana tany jiaby e,
    E e ka atolory Azy Baba ny fihobiaña,
    Ny Zanaka hobio sy hajao,
    Ary ny Fañahy izay nameny e !

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay