Ny atao hoe tia

Ny atao hoe tia
d’ireo afaka manome
Manome ny zava-drehetra
Ary mahafoy ny tenany

1- Na dia miteny amin’ny fitenin’olona
S’ireo anjely aza aho
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Varahina sy kipantsona
Izay mikarantsana (x2)

2- Raha maminany ary koa mahafantatra
Ny zava-miafina aza aho
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Dia tsinontsinona aho satria
Tsisy heviny ny ataoko (x2)

3- Na hozaraiko amin’ny mahantra aza
Ireo harenako eto an-tany
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Dia zava-poana ihany (reny,
Hebohebon’olona (x2)

4- Na dia atolotro ho dorana daholo
‘Ty vatako ity mba ho kila
Ka tsy ao ilay fitiavana, e! e!
Dia tsy misy liana izany
Fa ho very maina ihany (x2)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1017