Maria ô, Maria ô, nisy feo niantefa taminao

1. Maria ô(bis) nisy feo niantefa taminao
Maria ô (bis) bitsika mambabo ny fonao
 Ny tarana-behivavy no hamotika ny ratsy 
Moa vonona ianao mba ho renin'i Mesia 
O, o, o! Eny, hoy ny teninao nankatò

Maria! Nino izay voalaza ianao ka tody soa ny lakanao 
Izy Tompo niantso anao e, momba anao.
Maria, ireo tanoranao nifidy hanome ny fiainany
Mba tantanonao ny dianay.

2. Maria ô (bis) nisy feo nibitsika taminao
Maria ô (bis) te-hambabo ny fitiavanao
Ny fanananao ilaozy ka avy manaraka ahy 
Antso mba hanolo-tena mandra-pahafatinao 
O, o, o! Vahotra ny tenanay hankatô

Maria! Tsy ampy ny finoanay, mafy ny adim-piainanay 
Angataho amin'ny Zanakao e, ny Fanahy.
Maria ny mangidy sy ny mamy fantatrao dia fantatrao
Mba tantanonao ny dianay.

3. Maria ô (bis) misy toky ianteheranay
Maria ô (bis) vy miaina ao anatinay
Indro re ny zanakao, indro re ny reninao
Faratenin'olon-tiana ka ho tananay tokoa 
O, o, o! Reny mpiaro anay tokoa ianao

Maria! Mbola tsisy Reny tia nahafoy ny zanany 
Sombin'aina avy aminao anie izahay.
Maria, tsy miafina aminao e ny tontolom-piainanay
Mba tantanonao ny dianay

Nampiditra admin
Fihirana Dera p. 273
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197