Mivoha izao ny làlana ho any Jerosalema, ka manasa anao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Paka,


  • Fihirana Hasina p. "780

1 Mivoha izao ny làlana ho any Jerosalema, ka manasa anao;
 Ry Jerosalema tanànam-pahazavana e, ka manasa e.
 Ilay Tompo tia nandresy ny fahafatesana no manasa anao;
 Efa resy tokoa ny herin'ny aizina, maraina vaovao.
 
Afaka ny ahiahy e, afaka ny tahotra.
 
2 Ianao ry Siôna aoka hitotorebika, ka manasa anao;
 Ianao ry Siôna tanànan-karavoana, ka manasa e.
 Ilay Tompo mpanjaka mitondra fiadanana no manasa anao;
 Ny fiadanana entiny lazalazao, zarazarao, kaloy e.
 
3 Izao no andro tsara fa andron'ny Tompo, ka manasa anao;
 Andro iray toa zato fa androm-pifaliana, ka manasa e.
 Taomy ny sakaiza mba hiara-mifaly hoe, manasa anao;
 Efa resy tokoa ny herim-pahafatesana, maraina vaovao.

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay