Miara-dalagna (dalaña) amintsika isan'andro

Nampiditra: Belle
Sokajy: Samihafa, Andriamanitra Ray,


  • Karine Dera p. "490
  • Fihirana Hasina p. "779
  • Fihirana Vaovao p. "268

Miara-dalagna amintsika
Isan'andro, isan'andro e ny Tompo.
Agnatin'ny hafaleana, agnatin'ny manahiragna,
Iy ro eo agnilantsika.
Tsa avelany ho irery atsika,
Eko mamindrà ary matokia.
     Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika, e e e
     Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika.
     (E ko matokia)    
     Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika, e e e
     Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika.
 
1 Tsa ho tadiavin-davitsa iy e,
 Fa tena marigny atsika.
 Tsa aia fa eo agnivontsika eo,
 Feny tsa nisy nagnavisa.
 Tokagna ny Raintsika,
 Vana olo raika atsika;
 Mpianakaby,
 Eko tano soa re ny fihavagnana.
 
2 Tsa mba misaraka amintsika,
 Ny Fagnahy agnatintsika.
 Nahoana ke ro vô misalasala,
 Tsa mba miova ny fitiavany.
 Atsika efa nanjary havany,
 Zanaka an-dragnon-dRainy;
 Atsika ro iraka,
 Vavolombelogna hampahilala ny Fitiavany.
 
3 Aza laitsa miandrandra
 Ny lagnitsa ambony agny 'tsika.
 Jahao ireo sahiragna, 'reo mahadinaigna:
 Tegnany koa ireo.
 Memelogna antsika ny Tegnany,
 Mampahery antsika ny tarogny;
 Anò hiara-dia, hagnavao ny tany,
 Fa samy managna ny hainy.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay