Velona aho (satria ianao) satria ianao,
Satria ianao, ry Tompo ô,
No velona ato amiko.
1 'Zay mihinana ny nofoko, sy misotro ny rako
No monina ato amiko, sy onenako.
2 'Zaho anie no mofo velona avy any an-danitra:
'Zay mihinana ny nofoko no ho velona.
3 Ary velona ny Ray anie, 'zaho velona ao aminy"
Ka ho velona ato amiko 'zay mino ahy.
4 Ny hamelona ny ondriko no nahatongavako:
Aina tsy misy fetra no hatolotro.
5 Mbola hatsangako ho velona 'zay misotro ny rako:
Ka hamiratra ho sambatra ao amiko.