Tao anaty rivo-doza
1 Tao anaty rivo-doza naharipaka ny hazo;
 Tao anaty feo mitrena nampihorohoro tany;
 Tao anay lelan'afo nahakila ny tanàna;
 Tsia, tsy tao ianao!
2 Am'ireny lahateny tsara rindra sy malaza;
 Am'ireny ady am-basy mahapotika ny osa;
 Amin'ireny rentirentim-boninahitr'olombelona;
 Tsia, tsy tao ianao!
3 Amy toerana mangina ivavahan'ny mahantra;
 Amin'ny andro mampilofika ny olo-mino anao;
 Amy faharetam-pon'izay miandry anao hatrany;
 Eny, Tompo, eo ianao!
                    Nampiditra Belle                
                                        
                    Sokajy                                                                    Andriamanitra Ray                                             -                         Samihafa                                    
            
                            
                            Ankalazao ny Tompo p.
                            276                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            722                        
                                    
