Ry vahoakako, 'zay mivavaka

1 Ry vahoakako, 'zay mivavaka hoe:
 Tompo ô, omeo pretra izahay,
 Vonjeo ny Eglizinao.
 Moa ianareo re, ry vahoakako,
 Mba mihaino ireo antsoko?
 
Ry Jesoa Kristy ô, iantrao izahay
Kely fitia, kely finoana,
Mifona aminao sy mivavaka hoe:
Harahinay ny antsonao.
 
2 Ry vahoakako, tsy hadinoko anie
 Ny miantso ny tanoranao
 Ho tia sy hanaraka ahy,
 Nefa maro ny voaantsoko
 Tsy mamaly ny fitiavako.
 
3 Ry vahoakako, fitiavako anie
 Ny iantsoako ny tanoranao
 Ho pretra sy relijiozy;
 Ka nahoana no sakananao
 Tsy handray ny tso-drano ho anao?
 
4 Ry vahoakako: fitiavako anao
 Ny namoizako ny aiko:
 Tsarovy ilay Kalvery,
 Mba valio re ny fitiavako,
 Ry vahoakako sy Egliziko.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 708
Fihirana Vaovao p. 105
Vavaka sy Hira p. 518
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082