1 Ry Jesoa mofon'aina,
Ianao no antenaina
Ho vatsin'ny fanahy (indroa)
Hamonjy sy hitahy
Ny reraka, ny noana,
Hatanjaka am-pinoana,
Ry Jesoa mofon'aina!
2 Ry Jesoa ranon'aina
Tondrahy re fa maina
Ny fon'izay maniry (indroa)
Tsy ho an'olom-piry
Fa ho anao irery,
Ambeno tsy ho very,
Ry Jesoa ranon'aina!