'Reo tsy mahalala anao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy, Andriamanitra Ray,


  • Fihirana Hasina p. "687
  • Fihirana Dera p. "280

1 'Reo tsy mahalala anao
 Na minia tsy mino anao e
 No iantsoanao ahy
 Anirahanao ahy.
 
 Koa intý aho, Tompo ô,
 Mamaly ny antsonao e
 Hanambara ny finoana e
 Amin'ny olona rehetra maminao.
 
2 'Reo anaty aizim-pito e
 Mamoy fo indrisy
 No iantsoanao ahy
 Anirahanao ahy.
 
 Koa intý aho, Tompo ô,
 Mamaly ny antsonao e
 Hanambara fahazavana e
 Amin'ny olona rehetra maminao.
 
3 'Reo mahantra sy kamboty e
 Toa tsy misy mpahalala
 No iantsoanao ahy
 Anirahanao ahy.
 
 Koa intý aho, Tompo ô,
 Mamaly ny antsonao e
 Hanambara famonjena e
 Amin'ny olona rehetra maminao.
 
4 Ny olombelona rehetra e
 Mitady anao hatraiza
 No iantsoanao ahy
 Anirahanao ahy.
 
 Koa intý aho, Tompo ô,
 Mamaly ny antsonao e
 Hanambara anao doria e
 Amin'ny olona rehetra maminao.
 
5 'Reo tsy tia anao etý e
 Na ireo manadino anao e
 No iantsoanao ahy
 Anirahanao ahy.
 
 Koa intý aho, Tompo ô,
 Mamaly ny antsonao e
 Hanambara ny fitia e
 Amin'ny olona rehetra maminao.
 
6 'Reo mijaly sy olon-dresy e
 Miaritra ny ngidim-piainana
 No iantsoanao ahy
 Anirahanao ahy.
 
 Koa intý aho, Tompo ô,
 Mamaly ny antsonao e
 Hanambara ny indra fo e
 Amin'ny olona rehetra maminao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay