Ray ô, nanome anay an'i Jesoa Zanakao ianao

Ray ô, nanome anay an'i Jesoa Zanakao ianao,
Ka misaotra e! (Jn. 3, 16)

(Sal. 144)
 
1 E! hanandratra anao aho, ry Andriamanitro,
 Fa Mpanjakako re ianao,
 Ary koa hankalaza ny Anaranao
 Amin-taona tsy misy fetra.
 
2 Eny, hisaorako mandrakariva ianao
 Isan'andro, isan'andro vaky,
 Ary koa dia hidera ny Anaranao
 Amin-taona tsy misy fetra.
 
3 Lehibe izy Tompo, ilay Avo indrindra
 Ary mendrika hoderaina,
 Tsy azo eritreretina ny halehibeazany,
 Na mba visavisaina akory.
 
4 Ny taranaka maro izay mifandimby
 Hampanako ny asanao;
 Ary koa dia hitory sy hankalaza
 An'ireo asanao mahery.
 
5 E! ny voninahitrao izay mamirapiratra
 Sy ny lazam-piandriananao,
 Eny e, ny asanao mahagaga loatra
 Dia hambarako, tantaraiko.
 
6 Ny hatsaram-ponao lehibe miavosa
 Dia hambara sy hotsarovana,
 Moa ny hasin'ny fahamarinanao
 Dia hobiana hatrany hatrany.
 
7 Izy Tompo fitiavana, fangorahana,
 Tsara fo, tsy malaky tezitra;
 Ho an'ny olon-drehetra ny hatsaram-pony,
 Ny fangorahany ho an'ny asany.
 
8 Ny asanao rehetra anie aoka hisaotra Anao, ry Tompo,
 Ny mpivavaka aminao, aoka samy hihoby Anao!
 Ny voninahi-panjakana entinao dia horesahiny,
 Ireny asanao mahery ireny koa dia hoteneniny.
 
9 Ka ho fantatry ny olona ny asanao mahery,
 Ny voninahitra aman-dazam-panjakana entinao.
 Fa ny anao ny fanjakana dia natao tsy misy fetra,
 Moa ny fanapahanao, amin'ny taona mifandimby.
 
10 Eny, marina amin'ny teniny rehetra Izy Tompo
 Ary koa mahatoky amin'ny asany rehetra;
 Izy Tompo dia manohana izay rehetra lavo
 Ary koa mampitraka izay rehetra mitanondrika.
 
11 E! mifantoka aminao ny fijerin'ny tontolo
 Fa toloranao sakafo ara-potoana izy ireo.
 Dia manokatra ny tananao ianao fa mora fo,
 Ka mamoky zava-tsoa izay rehetra manana aina.
 
12 Eny, marina amin'ny lalany rehetra Izy Tompo
 Ary be famindram-po amin'ny asany rehetra.
 Fa ny Tompo eo anilan'ireo izay miantso Azy,
 Dia ireo miantso azy amin-kitsim-po tokoa.
 
13 Dia mamaly izay irin'ireo matahotra Azy Izy
 Sy mihaino ny tarainany, mamonjy azy ireo.
 Dia arovan'izy Tompo izay rehetra tia azy,
 Fa ny olon-dratsy kosa dia aringany avokoa.
 
14 Aoka hitory fiderana an'izy Tompo izany vavako,
 Ny olombelona rehetra aoka hihoby ny anarany.
 Eny, isaorana ny Tompo! Eny, isaorana ny anarany
 Amin'ny taona tsisy fetra, amin'ny taona tsisy fetra.
 
15 Koa isaorana ny Ray be fitia sy fangorahana,
 Sy ny Zanaka ilay zoky mahatoky, tsy mivadika
 Amin'izay mifidy azy ho Filoha sy Mpamonjy,
 Ny Fanahy izay mpanarina an'ireo miantehitra aminy.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 487
Fihirana Dera p. 284
Fihirana Hasina p. 680
Vavaka sy Hira p. 805
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098