Ray ô, raha azo atao, esory lavitra ahy ity kalisy ity

Ray ô, raha azo atao,
Esory lavitra ahy ity kalisy ity;
Nefa raha tsy maintsy hosotroiko,
Ho tanteraka anie ny sitraponao,
Hampandeferiko ny sitrapoko.

(Lk.22, 42)
 
1 Dia lasa nivavaka fanindroany
 Jesoa Mpanjonjy efa tsemboka:
 Niankohoka nizaka ny otantsika,
 Nifona, nivalo, nivavaka hoe:
 
2 Ny Ray tsy nanova ny sitrapony:
 Fitiavana antsika ny lahatra.
 Jesoa nivavaka fanintelo,
 Fa osa ny nofo ka hoy izy hoe:
 
3 Indreo miaramila hisambotra azy,
 Iry re ny vohitr'i Gôlgôtà:
 Jesoa Mpamonjy nanolo-tena
 Hitarika antsika ho tia ny Ray.
 
4 Ry Jesoa Mpamonjy namoy ny aina,
 Voavonjy izahay ka misaotra anao;
 Matoky ny Ray sy manompo azy,
 Manahaka anao ka mivavaka hoe:

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 302
Fihirana Hasina p. 679
Fihirana Vaovao p. 103
Vavaka sy Hira p. 685
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171