Ny zanakao, Masina Maria

Nampiditra: Belle
Sokajy: Masina Maria, Fifonana,


  • Fihirana Vaovao p. "421
  • Vavaka sy Hira p. "593
  • Fihirana Hasina p. "662
  • Fihirana Dera p. "138

Ny zanakao, Masina Maria,
Topazo maso miantra;
Ario any ny otanay,
Sitrano tsara ny fonay. (indroa)
 
1 Ampionao ny herinay
 Handresenay ny demony;
 Ka ianao no tianay
 Mandrakizay alaovalo. (indroa)
 
2 Mba maro be ny fahotana
 Nilatsahan'ny fonay e
 Mba mifonà, Masina Maria,
 Ho anay olo-mahantra! (indroa)
 
3 Miharihary ao aminay
 Ny fitak'izao tontolo izao,
 Mitaona anay handao anao;
 Nefa sanatria izany! (indroa)
 
4 Tsinjovinao 'zahay atý,
 Fa reraka amin'ny ady;
 Masina Maria, herezo re
 Ny fonay fandrao resy! (indroa)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay