Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy, Andriamanitra Ray,


  • Vavaka sy Hira p. "446
  • Fihirana Hasina p. "662
  • Ankalazao ny Tompo p. "168
  • Fihirana Vaovao p. "475
  • Fihirana Dera p. "207

Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray,
Dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Tomponay!
 
1 Fa nanana ny toetran'Andriamanitra i Jesoa;
 Kanefa tsy noheveriny hifikirana mihitsy
 'Lay toetra nitovizany amin-dRainy hatramizay.
 
2 Ka indro ny toetran'Andriamanitra nialany,
 Dia naka ny toetra maha-mpanompo kosa izy,
 Ka tonga olombelona nitovy tamintsika.
 
3 Ny tenany naetriny, nanaiky fatratra izy,
 Nanaiky dia nanaiky, eny ambara-pahafaty,
 Ka maty ho antsika tamin'ny hazofijaliana!
 
4 Ny Rainy kosa anefa indro fa nanandratra azy
 Nanolotra azy anarana mitory fahefana:
 Anarana mihoatra 'zay anarana rehetra!
 
5 Fa tiany mba hilefitra amin'io anarana io
 Hilefitra amin'i Jesoa ny lohalika rehetra:
 Dia ny any an-danitra any, ny eto an-tany sy any ambany.
 
6 Fa tiany mba hiaiky sy hanambara koa isika
 F'i Jesoa no natsangan'Andriamanitra ho Tompo,
 Hijoro ho voninahitr'izy Ray mandrakizay!

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay