Ny tananao no mitantana ahy

Nampiditra: Belle
Sokajy: Antson'Andriamanitra, Jesoa Kristy,


  • Fihirana Hasina p. "653

Ny tananao no mitantana ahy
Handroso aho hidera anao
Hidera anao aho, Jesoa Tompo ô,
Fa toky ho ahy ny tananao,
Fitiavana tsy misy fitaka
No handravaka ny dinam-piainako.
 
1 Mahery ny antsam-pitiavanao,
 Ny fiainako tsy misy izay tsy fantatrao,
 Kanefa fitia feno fitokisana
 No asetrinao izany fahalemeko,
 Satria ianao efa tia ahy.
 
2 Hamindra miaraka aminao aho.
 Fitiavana no aina atolotro anao.
 Izany no mahatsara fihavanana,
 Haharitra hatramin'ny farany aho, Jesoa ô,
 Satria ianao efa tia ahy.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay