Ny foto-diako etý an-tany

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy, Fo Masin'i Jesoa, Andriamanitra Ray,


  • Fihirana Dera p. "123
  • Fihirana Hasina p. "648
  • Vavaka sy Hira p. "569
  • Fihirana Vaovao p. "406

1 Ny foto-diako etý an-tany
 Handrehitra fitiavan-dehibe;
 Iriko sady mamiko indrindra
 Ny mba hotiavinao mandrakizay.
 
Ry Tomponay malalanay tokoa,
Ho maminay mandrakizay ianao;
Ny fonay faly ny hiantso lava:    
Anao etý sy any an-danitra any. 
Ny fonay faly ny hiantso lava:    
Anao etý sy any an-danitra any. 
 
2 Mba fantatrao va re ny fitiavana
 Nampidina ahy Tompo hankatý?
 Ho satrinao tokoa hidodododo
 Handrehitra ny fonao hankafy.
 
3 Ity 'lay fo notanterahin-defona
 Hahitanao ny fiadanam-po:
 Fa mpankahery ny mbola malemy,
 Sy mampitombo be ny zotom-po.
 
4 Ry fo maniry mafy te ho tiana,
 Manolo-tena mba ho solonay,
 'Zahay no tokony hanolo-tena
 Ho anao Nahary sy Mpanjakanay.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay