Nandray anao, ry Tompo
1 Nandray anao, ry Tompo,
 'Reo nitoky tamy tenin'ireo Mpaminaninao
 Tsy rendremana fa niandry 'zany nampanatenain'ny Ray
 Ka nidodododo erý nijery anao tan-tranon'omby.
 Hofohazin'ny Fanahinao anie izahay mpianatrao!
 
2 Mandray anao, ry Tompo,
 'Zay mivelona amy tenin'ny Vavolombelonao
 Tsy matahotra fa roso ka misedra ny mpaneso.
 Zary laza ho azy ireo ny mampiantrano ny mahantra.
 Hotohanan'ny Fanahinao anie izahay mpianatrao!
 
3 Handray anao, ry Tompo,
 'Zay hifikitra amy teny 'zay navelanao ho anay
 Tsy voafitak'ireo olon-tsy mba mino ny tsy hita
 Ka ho tody soa aman-tsara ampiantranoin'izy Ray.
 Hotantanan'ny Fanahinao anie izahay mpianatrao!
 
                    Nampiditra Belle                
                                        
                    Sokajy                                                                    Andriamanitra Ray                                             -                         Jesoa Kristy                                    
            
                            
                            Fihirana Hasina p.
                            625                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            248                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            648                        
                                    
