Nameno an'izao tontolo izao ny Fanahin'i Iaveh

Nampiditra: Belle
Sokajy: Salamo, Andriamanitra Ray,


  • Vavaka sy Hira p. "299
  • Fihirana Hasina p. "623
  • Fihirana Vaovao p. "154

Nameno an'izao tontolo izao ny Fanahin'i Iaveh.
Aleloia, aleloia. (Fah. 1, 7)

(Sal. 67) 

1 Aoka hitsangana Andriamanitra anoloan'ny fahavalony
 Ka handositra antrehany 'zay tsy tia azy.
 
2 Toy ny setroka manjavona no fanelinao azy,
 Toy ny savoka miempo ny olon-dratsy.
 
3 Fa ny tavan'ny olo-marina eo anilan'Andriamanitra,
 Dia mifaly sy mamiratra, feno hafaliana.
 
4 Ray anie Andriamanitra ho an'ny ory sy kamboty,
 Ho an'ireo mpananontena matahotra azy.
 
5 Fa ny olon-tokan-tena tsy hafoin'Andriamanitra,
 'Zay mandika ireny didiny no tsy ho sambatra.
 
6 Nony tonga Andriamanitra mba hamangy ny vahoakany,
 Toa mangovitra ny tany, manga ny lanitra.
 
7 Dia narotsakao ny orana, orambe hamelombelona,
 Ka ny olona, afa-bizana, maro ny vokatra
 
8 Aoka hisaotra an'Andriamanitra, izy Tompo anie hamonjy
 Amin'ny fahafatesana mandrakizay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0095 s.] - Hanohana anay